CORONAVIRUS : 15 no tranga vaovao androany

Miampy 15 indray ny olona voan’ny tsimokaretina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany.

Ny 11 tamin’ireo olona ireo dia tao Toamasina, 2 Antananarivo, 1 Moramanga ary 1 Bongolava.

Mahatratra 542, noho izany, ireo olona voa hatramin’izay, araka ny fitliana miisa 9 114 natao hatrizay.

Niampy 5 kosa ireo sitrana, ka ny 4 eto Antananarivo ary 1 ao Fianarantsoa. 147, araka izany, ny isan’ireo efa sitrana rehetra.

393 izany no isan’ireo mbola tsaboina, izay ny 6 amin’izy ireo, izay ao Toamasina avokoa, no manana toe-pahasalamana somary atahorana.

Mijanona ho 2 ihany kosa ny isan’ireo namoy aina.

Adin’ny tsirairay

Mahakasika ny tsirairay ny misoroka ny tsi-fiparitahan’ity areti-mandoza ity. Manomboka any amin’ny Mpitondra izany ka hatramin’ny tsirairay ao an-tokantrano ao.

Tokony ho hitan’ny vahoaka, ohatra, ny fanaovan’ny tompon’andraikitra ambony sarontava, amin’izay rehetra alehany sy hikabariany. Ho fitaratry ny vahoaka tokoa izy amin’izany. Tahaka izany koa ny fanajana ny elanelana 1 metatra rehefa eny amin’ny fivoriana sy fihaonana samihafa eny.

Tsy vitsy ireo Minisitra, Solombavambahoaka, Ben’ny Tanàna,…no manala ny sarontavany rehefa mandray fitenenana kanefa amin’ireny indrindra no tokony hanomezany ohatra fa tsy tokony hiala mihitsy ny sarontava na amin’ny fotoana inona na inona.

Tsy zava-dehibe loatra ny tsi-fahalalan’ny olona azy ao anaty sarontava ao satria ny fanentanana no tokony hanandanja kokoa.

Vous aimerez aussi