Hanomboka ny 28 aprily ka hatramin’ny 30 aprily 2025, eto Antananarivo, ny “Comité Mondial des Femmes Chefs Entreprises”. Ity hetsika ity izay entina manasongadina ny fihaonambe maneran-tanin’ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa. Anjaran’ny eto Madagasikara no mandray izany amin’ity taona ity ka eny amin’ny Novotel Alarobia no hanatanterahana ny hetsika.
Firenena miisa 20 manerana izao tontolo izao izay handraisan’ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa maherin’ny 50 isa, anjara, no hanompanana izany amin’ity andiany ity. Tanjon’ny hetsika ny hampivelatra ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa indrindra fa ny hanosika azy ireo eo amin’ny fampivoarana ny ara-toekaren’ny firenena. Fotoana manan-danja ho an’ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa araka izany io telo andro ifamotoanana io noho izy io hahafahan’izy ireo mifanakalo hevitra sy mifampizara traikefa mba hitondra ho any amin’ny fahombiazana.
Fotoana manokana ihany koa ho an’ny Nosy, hanehoany, ny mahaizy azy eo amin’ny fahaiza-manaony eo amin’ny fandraisana sy ny fampivondronana ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa. Hahatonga solon-tena eto amintsika mantsy ny avy amin’ireo firenena mikambana ao amin’ny Vondrona Eoropeanina (France, Espagne, Italie, Allemagne sy Monaco ary Turquie). Eo ihany koa ny avy amin’ny Kaontinanta Afrikanina (Mali, Guinée, Congo sy Gabon ary Egypte). Hanara-dia azy ireo ihany koa ny delegasionina avy any Etazonia, Armenia, Nouvelle Caledonie, Australie, Mexique sy Argentine ary ny avy eto Madagasikara.
Fotoana iray hahafahan’ny tompon’andraikitra mpikarakara indrindra fa ireo vehivavy malagasy mpandraharaha mpitantana orinasa miditra eo amin’ny tambajotran’ireo vehivavy mpandraharaha mpitantana orinasa maneran-tany araka izany ity hetsika “Comité Mondial des Femmes Chefs Entreprises” ity. Tombony lehibe ho azy ireo araka izany ny fandraisana anjara amin’ity andiany ity. Ny fihaonana “B to B” sy ny vela-kevitra maro samihafa rahateo no handravana ny fotoanan’io hateloana io. Ny eto Madagsikara manokana dia hanasongadina ny momba ny taolamba sy ny taozavatra ary ny nahandro malagasy. Manohana amin’ity andiany ity ny avy ao amin’ny “AFG Bank Madagascar” sy ireo orinasa maro samihafa. Eo ihany koa ny avy ao amin’ny “Yas Madagascar”. Ity orinasa ity izay manana ny tolotra “Yas Business” entina manohana ny sehatra ara-toekarena.
Manohana ny hetsika “Comité Mondial des Femmes Chefs Entreprises” ny “Yas Madagascar” satria manana adidy eto amin’ny Firenena izy ireo amin’ny fampivoarana ny lafiny ara-toekarena indrindra fa ny fampivoarana ny tanora sy ny vehivavy. Ny sehatra fanohanana ny tanora sy ny vehivavy malagasy izay efa niantsorohan’ny orinasa “Yas Madagascar” rahateo hatramin’izay ka hatramin’izao, araka ny fanazavan’ny filohan’ny “Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar” na ny (GFEM), Razakaboana Fanja. Izy izay tompo-marika amin’izao hetsika izao miampy ireo mpiara-miasa aminy mpanohana izany.
