Nandalo teny Antsahakely-Besarety i Bodo omaly atoandro nitafa tamin’ny mponina teny. Ny filatsahany ho solombavambahoaka moa no diany teny ary tsapany ny fahoriam-bahoaka.
“Marina tokoa” hoy i Bodo fa teny mijaly ny vahoaka ety Antsahakely. Tsy nisy mpitondra nijery azy ireo hatrizay fa mandalo fotsiny ihany ary tsy dia nisy zava-bita raha resaka fampandrosoana hoy izy.
Hiezaka ny kandidà Bodo, araky ny resaka nataony, raha toa ka sitraky ny mponina. “Mbola tsy fotoan’ny fampielezan-kevitra izao” hoy Bodo. Mbola hiverina izy hanamafy ny tetika hampandrosoana ny Fokontany Antsahakely-Besarety. Na izany aza dia naresaka tao an-tanàna ny fandalovan’i Bodo.