Mahazo laka ny fanodikodinana ireo harena voajanahary amin’izao krizy ara-pahasalamana izao. Nanazava ny andraikitra iantsohoran’ny Birao misahana ny ady amin`ny kolikoly na ny Bianco amin`izao fahamehana ara-pahasalamana izao, ny tale jeneralin’ity rafitra ity, atoa Laza Eric Donat Andrianirina. Miisa 30 ireo fitarainana sy fitorohana voaray tamin’ny alalan’ny e-Toroka. Amin’ny ankapobeany dia miompana amin’ny olana ara-tsosialy ny ankamarony. Nanome antoka atoa Laza Eric Donat Andrianirina fa hisokatra ny fanadihadiana ataon`ny Bianco raha ilaina aorian` ny fihibohana. Hisy ny paikady vaovao « Mode Opératoire Faire-Faire » na MOFF hanatanterahina izany. Ho jerena akaiky ny famatsiam-bola vahiny azo amin’izao ady amin’ny “coronavirus” izao ary vonona ny hanafoana ny kolikoly izay misandrahaka manerana ny nosy ny Bianco. Tsy ho vitan’ny Bianco irery ny hiady amin’izany fa hisy hetsika fanentanana iarahana amin’ireo fiaraha-monim-pirenena. Marihana fa ireo fanadihadiana mikasika ny kolikoly dia hotanterahana miaraka amin’ireo rafitra samihafa toy ny OPJ sy ireo sampan-draharaha eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana.
