BEN’NY TANÀNAN’NY KAOMININA AMBAVAHADITOKANA Hotanterahana ny fanamby napetraka

Tontosa ny alakamisy 23 janoary 2025 teny amin’ny Lapan’ny tanànan’ny kaominina Ambavahaditokana, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Ben’ny tanàna Ratoetrarinianja Jean Louis sy ny Ben’ny tanàna mpisolo toerana, Ramiaranjatovo Samuel.

Amin’izao fotoana nandraisan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambavahaditokana, ny asany, izao indray dia fanamby lehibe no hotanterahany amin’ireo mponina iadidiany. Laharam-pahamehana ho azy araka izay ny andavanandron’ny mponina. Eo ihany koa ny fanatsarana ny lafiny sosialy. Amin’ny mahakaominina Ambanivohitra ny eny Ambavahaditokana izay mivelona amin’ny fiompiana sy ny fambolena dia hiompana ihany koa amin’ny fanaraha-maso ny renirano sy ny manodidina izany ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy indrindra fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoam-pahavaratra ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tsy ho latsa-danja amin’ireo rehetra ireo ihany koa ny fijerena ny lafiny fanabeazana. Hotanterahan’ny Ben’ny tanàna Ratoetrarinianja Jean Louis sy ireo mpiara-miasa aminy, amin’ity taona 2025 ity, ny fananganana fotodrafitrasa lehibe mahazaka mpianatra miisa 600. Ity Lisea vao haorina ity izay ho ampiasaina amin’ny taom-pianarana 2025-2026. Tanjona ny mba tsy handehanan’ireo mpianatra vao nahazo ny diplaomam-panjakana BEPC any amin’ireo Lisean’ny kaominina hafa manodidina hanohy ny fianarany fa mba ho ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana ihany.

Amin’izao dimy taona manaraka hitantanan’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambavahaditokana, Ratoetrarinianja Jean Louis, ny tanàna izao indray dia mbola ho betsaka noho ny teo aloha aza ireo asa hotanterahany. Izy ireo izay fampanantenana nataony tamin’ny fampielezan-kevitra fony izy nilatsaka ho ben’ny tanàna. Lany tamin’ny 47,76 isan-jato ity ben’ny tanàna kaominina Ambavahaditokana Ratoetrarinianja Jean Louis ity. Efa fotoam-piasana fanintelony ho azy izao hitantanany ny kaominina Ambavahaditokana izao, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi