BAIBOLY MALAGASY : Hankalazaina ny faha-185 taonany

Feno 185 taona ny Baiboly malagasy. Ny Baiboly malagasy izay zokiny indrindra aty Afrika.

Miara-dàlana amin’izany koa ny fankalazana ny faha-55 taona nisian’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy.

Ny 21 jona ho avy izao no tena ivon’ny fotoam-pankalazana, ka hisian’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, izay kasaina ho tanterahina ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena, etsy Mahamasina, ny maraina, ary hanasana ny rehetra, eny na ny hatrany am-pitandranomasina.

Hasaina amin’izany koa ny tompon’andraiki-panjakana sy ny tompon’andraiki-piangonana ary ny kristiana rehetra tsy an-kanavaka.

Ny tolakandro kosa dia mitohy amin’ny  fiderana sy fankalazana an’Andriamanitra ny fotoana.

Ny Foloalindahy sy ny Baiboly

Amin’ity taona ity ihany koa no hankalazana ny faha-60 taonany ny Foloalindahy Malagasy. Manana  vondrona miaramila kristiana isika, izay miara-miasa tanteraka amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy. Koa tsy ho diso anjara amin’izay fankalazana izany ireo zandary sy miaramila ary polisy fa hanana ny anjarany manokana ihany koa ny tolakandro.

Alahadin’ny Baiboly

Fa mialoha izany dia hotanterahina ny alahady 9 febroary ho avy izao ny Alahadin’ny Baiboly Malagasy. Hisy noho izany ny fiombonam-bavaka iraisam-pinoana, hatao etsy amin’ny FJKM Katedraly Analakely, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ho an’Antananarivo.

Ny maraina kosa dia samy mankalaza izany ny isam-piangonana.

Koa hasaina ny rehetra hiara-hivavaka sy hifanome tanana amin’ny asa fampielezana  sy fanohanana ny asa fampielezana, izay mitohy mandritra ny taona.

Hisy ihany koa ny « Salon de métier de la Bible », izay varavarana misokatra sy atrikasa ho fampahafantarana ny fandikana izany Baiboly izany.

Vous aimerez aussi