“ASSOCIATION LE LEMURIEN DE MADAGASCAR” Nankalaza ny zon’ny vehivavy sady namboly hazo

Anisan’ireo fikambanana nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny “Association Le Lemurien de Madagascar” izay tarihan’ny filoha maneran-taniny, Randrianarison Vonjy Henri. Fiaraha-miasan’ny fikambanana tamin’ireo fikambanana miisa roa dia ny AMADEA sy ny MITSINJO no nahafahana nanatontosa ny hetsika tamin’ity taona ity raha ny fikambanana ihany hatramin’izay no manatontosa izany. Fiaraha-miombon’antokan’ny fikambanana tamin’ny Kaominina Antanetibe Mahazaza sy ireo malala-tanana maro samihafa no fisalahian’ny “Association Le Lemurien de Madagascar » isan-taona. Ireo fikambam-behivavy rehetra mijoro ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza araka izany dia nandray anjara tamin’ity fankalazana ity avokoa, araka ny fanazavan’ny filoha maneran-tanin’ny “Association Le Lemurien de Madagascar », Randrianarison Vonjy Henri. Ny fikambanana izay nanatontosa fambolen-kazo fihinam-boa miisa 160, ny zoma lasa teo, tany Merikanjaka. Miisa 8 no mpikambana no niara-namboly izany hazo izany niaraka tamin’ireo mpampianatra miisa telo sy ireo mpianatra miisa 80 ao amin’ny EPP Merikanjaka. Ny fikambanana Fanjarintsakafo sy Fahasalamana Ifotony na ny FAFI no niaraka nitondra ny anjara birikiny tamin’ny “Association Le Lemurien de Madagascar” tamin’izao fambolen-kazo fihinam-boa izao. Tsy sambany no nanatontosa fambolen-kazo ny fikambanana fa efa fanaony isan-taona izany. Tamin’ity taona ity dia naompana tamin’ny hazo fihinam-boa ny fambolena noho ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetrandro indrindra fa ho fitsinjovana sahady ny ady atao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Tanjon’ny fikambanana ihany koa ny hanasongadina ny “Tetezamita Ekolojika”.  Ny fikambanana izay efa nijoro ny taona 1996 ka miompana tanteraka amin’ny asa sosialy sy ny fanabeazana ary ny fahasalamana, araka ny fanazavan’ny filoha maneran-tanin’ny « Association Le Lemurien de Madagascar », Randrianarison Henri Vonjy.

Vous aimerez aussi