« ASSOCIATION LA CHARITÉ DE MADAGASCAR » Mpianatry ny Epp 300 nozaraina kits scolaire

Mpianatry ny sekoly EPP tao Tsarahonenana Ivoanjo Anosiala miisa 300 no nahazo « kit scolaire » avy amin’ny “Association la Charité de Madagascar”, ny sabotsy lasa teo, izay nahitana kitapo, « gourde », kahie, penina 4 loko, penisilihazo. Nambaran’ny talen’ny sekoly ramatoa Faranala Ando, fa tao anatin’ny herintaona no nahazo fanampiana avy tamin’ity « Association la Charité de Madagascar » ny sekoly. Tsy fitaovana momba ny fianarana ihany no nampian’ny fikambanana, fa nitondra “goutter” ho an’ny mpianatra ihany koa izy ireo, ka nanome ronono, mofo, ranomboankazo, bisikoatra, fromage. Nanolotra arotava ho an’ny mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra ihany koa ny fikambanana. Nambaran’ny talen’ny sekoly hatrany, fa afa-pahasahiranana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tamin’izao fahazoana fitaovan’ny mpianatra hiatrehana ny fidirana vaovao taona 2020 – 2021 izao. Nilaza ho afa-po tamin’ny valin’ny fanadinana CEPE ihany koa ny talen’ny sekoly, satria 96,66% ny taha-pahafahana azon’ny sekoly ary tsara ny vokatra. Ankoatra izay dia nanome vovo-drano ho an’ny sekoly ihany koa ny “Association la Charité de Madagascar”. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana atoa Mamod Zouber Assenjee, fa mifototra amin’ny asa sosialy ny asa sahanin’ny “Association la Charité de Madagascar”, izay miara-miasa amin’ny “Bienfaisance Coopération Entraide” sy “Housseni Groupe France” ny fikambanana. Ny manampy ny olona sahirana sy mpiray tanindrazana manerana ny nosy no imasoan’ity fikambanana mpanao asa soa ity. Anisan’izany ny fampidirana vovo-drano. Raha misy trano may, dia mitondra fanampiana amin’ny alalan’ny fanomezana tafo ny “Association la Charité de Madagascar”. Manampy an’ireny olona kilemaina ireny ihany koa ny fikambanana toa ny “bequille” sy “fautaille roulante”. Mizara sakafo masaka isaky ny fokontany ny fikambanana ary isaky ny sabotsy no manao izay fizarana izay izy ireo, hoy ny filohany atoa Mamod Zouber Assenjee ary zaza sahirana manodidina ny 150 no fahanana sakafo. Mizara ronono, mofo, fromage, ho an’ny zaza kamboty, isaky ny 15 andro ihany koa ny fikambanana. Mahazo vary, menaka, PPN koa ireo zokiolona miisa 25 ary haterina isaky ny tokantrano izany ary isaky ny 15 andro ihany koa no hanaterana izany. Nomarihan’ny filohan’ny “Association la Charité de Madagascar” atoa Mamod Zouber Assenjee, fa ny tombotsoan’ny vahoaka mpiray tanindrazana no imasoana ary fikambanana tsy manao politika, tsy manavaka finoana ny fikambanana tarihany ary miantso ireo mahalala tanana mba hitondra ny anjara birikiny sy fanampiana ho an’ny mpiray tanindrazana ary hanampy ny fikambanana. Nomarihany, fa manampy ireo olona tratry ny voina nohon’ny vokatry ny rivodoza ny fikambanana toa ny tany Mahanoro, Mahajanga ny fikambanana. Araka ny fanazavany hatrany, dia amin’ity volana febroary ity dia hanatitra fanampiana ho an’ireo olona tratry ny kere sy mosary any atsimo ny fikambanana. Farany, mikasika ny fahasalamana dia tsy adinon’ny “Association la Charité de Madagascar” ihany koa ny manampy ireo ankizy didiana “hernia” any amin’ny hopitaly ary tsy adino ihany koa ireo zaza tsy ampy taona izay voafonja any amin’ny fonja sy eny Anjanamasina. Mifototra betsaka amin’ny asa sosialy ny fikambanana raha ny fanamarinan’ny filohan’ny “Association la Charité de Madagascar” atoa Mamod Zouber Assenjee hatrany.

Vous aimerez aussi