ASA FIHARIANA 20 taona mahery nivarotana finday i Tovo

Tokam-po toy ny siny tsy manampo afa tsy rano ! Tanteraka ara-bakiteny tokoa io fomba fiteny malagasy io, ho an’i Tovonirina Michel, Raim-pianakaviana vao erotrerony. Tsy nisehatra afa tsy ny fivarotana finday tokoa mantsy izy nandritra ny roampolo taona nentiny namelomana ny ankohonany mandraka ankehitriny. Niatomboka tamin’ny fivarotana finday iray, tetsy amin’ny « petite vitesse » izany ary efa manana tsena goavana eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra ny tovolahy amin’izao vanimpotoana misy antsika izao.

Tsotra ny tsiambaratelon’ny fahombiazana, hoy i Tovonirina Michel, dia ny fananana ny faharetana, filofosana ary ny fahatokisana an’Andriamanitra sy ny fitazonana ny fahamarinana amin’izay rehetra atao. Tombony ho azy ny fananany ilay fahatsorana sy ny tsiky tazana mandrakariva eny amin’ny endriny izy manintona avy hatrany ny maro hitafa tsy ampisalasalana aminy. Torohevitra nomen’i Tovo ireo tanora te handraharaha sy te ho « tafa » amin’ny fiainana ihany koa ny hanombohana avy hatrany ny tetikasa amin’izay kely ananana eo am-pelan-tanana sy ny tokony hananana fifehezan-tena manoloana ireo rendrarendram-piainana sy filana maro tsy mahasoa. I Tovonirina Michel ankehitriny no mpitantana ny toeram-pivarotana finday ambongadiny sy atsinjarany « Mora boutix » etsy amin’ny Galerie Arena Antanimena, La Sirene Behoririka ary ny any Antsirabe sy Fianarantsoa, sns. Mampiavaka ny Mora boutix » ny vidin’entana mirary miaraka amin’ny kalitao tsara ananan’ireo finday avanga eny an-toerana ary ny fanolorana fanomezana ho an’ireo mpanjifa. Maharaka tsara ny fivoaran’ny teknolojian’ny finday hatrany ihany koa ny « Mora boutix ». Marihana fa misy hatrany ny fiantohana anatin’ny fotoana voafetra ireo finday amidy. Vinanasa tsy ho ela ho an’ny « Mora boutix » ny hanokatra ny toeram-pivarotana solosaina « Ordinateur » sy ny fanokafana tsena any amin’ny faritra hafa mbola tsy misy azy ireo. Ankoatry ny sehatry ny asa fivarotana finday, havanana amin’ny fitendrena vatamaroafitsoka ary mpikambana amin’ny antoko mpihira ihany koa i Tovonirina Michel. Raha fintinina, mahay mampiara-dia ny mahasoa sy ny mahafinaritra mandrakariva amin’ny fiainana ny tovolahy.

Vous aimerez aussi