ANTSAHAKELY-BESARETY Fako, Fako !

Tsy misy fiovana hatreto ny fahadiovana ao Antsahakely-Besarety, fa mivangogo eraky ny tanàna ihany ny fako na voalaza aza fa niova ny fitondrana ao amin’ny Kaominina. Mijaly ny mponina, fa ny miparitaka amin’ny tatatra ny fako amin’ny daba etsy amin’ny arabe, dia tsentsina tanteraka.

Sahirana ilay RF2 manao ny asany isan’andro, fa tsy tsy misy fiovana. Betsaka ny fitarainana mikasika an’io daba fanariana fako eo amin’ny sisin’dàlana io fa mianjera ao amin’ny tatatra fotsiny ny loto rehetra ka mihitatra eny amin’ny tanàna.

Ho avy mantsy izao ny fifidiana depiote ka ho avy hijery eo daholo ireo izay hitady seza. Efa betsaka ny nadalo teo tany aloha tany fa tsy misy fiovana. Io ihany koa no mitarika ny ranobe ety Besarety, satria tsy afaka mikoriana ny rano amin’ilay fako.

Dia izao foana ve ny politika fanatsarana ny tanàna? Eo amin’ny sary eo izao ny RF2 manala fako isan’andro amin’ny tatatra. Fofona tsy zaka no iainana eo, satria sady kabone ny mponina ny tatatra, no fanariam-pako. Miaina amin’ny loto sy ny maimbo ny mponina ety Antsahakely, ary ny trano fivoahana izay ao dia tsy mamoaka fofona ratsy hatrany. Misy olom-boafidy ve ety?

Vous aimerez aussi