ANTOKO TIAKO I MADAGASIKARA AMBOHIMANGAKELY Vonona hitondra fampandrosoana

Tsy ankadositra intsony ity ! Raikitra ny ady hatrehana hiaraha-manana ho amin’ny fampandrosoana ho an’ny Antoko Tiako i Madagasikara, ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. Raha toa ka niaina tsy fangaharaharana teo amin’ny lafiny fitantanana hatrany ny teo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely izay nitarika fihisaran’ny fanatanterahana ireo asa fampandrosoana ho an’ireo mponina, ao anatin’ny valo ambiny folo fokontany mandrafitra ny Kaominina Ambohimangakely. Vonona ny hametraka fitantanana madio sy mangaraharaha i Tiavina Ratsimandresy, izay kandidà ho ben’ny tanàna eo anivon’ny kaominina Ambohimangakely, narotsaky, ny Antoko Tiako i Madagasikara miaraka amin’ny vovonana Firaisankina. Tokana ny tanjona, araka izany, dia ny mponin’ Ambohimangakely maina ny tena fampandrosoana.

Tanora vao erotrerony i Tiavina Ratsimandresy ary mitahiry mandrakariva ilay afon’ny fitiavan-tanindrazana tsy hay vonoina ao anatiny. Ity farany izay efa nisehatra naharitra teo amin’ny lafiny politika ary nandray anjara mivantana sy mavitrika hatrany tao anatin’ireo tolona nentina nitakiana ny ara-dalana sy ny fahamarinana ary ny fampanjakana ny tany tan-dalana, toy ny « Hetsika fotsy ». Tombony ho azy rahateo ny nandalinany manokana ny « Sosiolojia politika » teny amin’ny ambaratonga ambony. Anisan’ny fanamby lehibe apetrak’i Tiavina Ratsimandresy ny hanafainganana ny fikarakarana ireo taratasim-panjakana eo anivon’ny Kaominina Ambohimangakely amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana hiaka faran’ny teknolojia. Hijery manokana ny lafiny fitsaboana ihany koa ny tovolahy mba ho sahaza sy ho akaikin’ny mponina mandrakariva ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana. Singanina amin’izany ny fivarotana fanafody amin’ny vidiny mirary miaraka amin’ny fizaham-pahasalamana. Hisy ny ezaka ho amin’ny fanapariahana rano fisotro madio sy ara-pahasalamana ho an’ny mponina. Ho hatevenina ny fampitaovana sy fampiofanana ireo « Quartier mobile » ao anatin’ny fokontany ho fanamafisana ny lafiny fandriampahalemana iarahana misalahy amin‘ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena eny an-toerana. Ho hampitomboina ny isan’ireo kianja fanaovana fanatanjahatena ho fanabeazana ireo tanora. Amin’ny ankapaobeny, vonona tanteraka hiatrika ny fifidianana ary handrombaka ny fandresena ny Antoko Tiako i Madagasikara miaraka amin’ny vovonana Firaisankina, ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. Santionany ihany irepo amin’ny vinanasa hotanterahan’ny Antoko Tiako Madagaikara ho fampandrosoana an’Ambohimangakely. Manentana hatrany ireo mponina hanefa ny adidiny amin’ny fifidianana ny antoko.

Vous aimerez aussi