ANTENIMIERANDOHOLONA Nodimandry ny Senatera Emilie

Nodimandry teo amin’ny faha-60 taonany ny Loholon’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Faritany Antsiranana, Razafindratovo Ravololonirina Émilie.

Teraka tao Toamasina izy ary voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Leader Fanilo.

Vadin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha , Jean Max Rakotomamonjy izy.

Namela kamboty roa ramatoa Loholona amin’izao nindaosin’ny fahafatesana azy izao.

Marihina moa fa iray amin’ireo vehivavy senatera miisa 12 tao amin’ny Antenimierandoholona izy.

Androany talata moa no niala teto Antananarivo ny razana rehefa avy nentina nandalo tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona Anosikely ary hiazo an’Andevoranto Brickaville.

Ny alarobia 24 jona izao kosa no atao ny fandevenana azy.

Ny Agence Malagasy de Presse dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo.

Vous aimerez aussi