ANTENIMIERA SY NY CORONAVIRUS : Senatera 14 sy Depiote 11 no voa

Loholona na senatera miisa 14 sy Solombavambahoaka miisa 11 no voalaza fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus. Fantatra izany araka ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena, nandritra ny dinika sy tatitra fanaony.

Senatera sy mpiasan’ny Antenimierandoholona miisa 75 moa no nanao fitiliana, ny 08 jolay lasa teo, ka nahitana ireo olona voa ireo. Noraisina, noho izany, ny fepetra ka nodiovina tamin’ny ranom-panafody ny Lapa tamin’ity anio ity ary tsy azo hivezivezena ny toerana mandritra ny herinandro.

Vous aimerez aussi