ANKIZY MADINIKA MPIANATRA Maro no lasa mpivarotra amoron-dalana

Vokatry ny tsy mbola fiverenana an-dakilasy ho an’ireo mpianatra amin’ny kilasy tsy hiatrika fanadinam-panjakana, maro amin’izy ireo no nalefan’ireo Ray aman-dreniny hitsikaraka loharanom-bola amin’ny alalan’ny fivarotana hanimasaka toy ny mofo voaendy isan-karazany, voanjo, paty, sns eny amoron-dalana.

Maniry ny hiverina an-tsekoly, saingy …

Tsy sitraponay loatra ny hivarotra ety, hoy i Andrianina, tovolahy kely mpianatra eo amin’ny taona faha- 06, iray amin’ireo lasa mpivarotra mofo sakay amoron-dalana eny Mahazo, fa i Neninay no manery ahy hanao izao noho ny tsy fisiana.

Ho an’ity tovolahy kely ity, manokam-potoana ihany izy, araka ny filazany, ny hanaovana famerenana any an-trano mba ahafahana mitadidy ireo lesona efa vita. Etsy ankilany anefa tsy misalasala ny Reniny mibedy sy manao teny maharary azy raha vao tara ny fotoana hamonjena ny asa varotra mofo sakay amoron-dalana izay iantsorohany.

Ekena fa mafy ny fiainana saingy tsy tokony hatao sorona ny hoavin’ny taranaka, hoy ny mpanabe iray. Ny fianarana no lova sarobidy indrindra ho an’ny taranaka koa tsy tokony ho salovanina amin-javatra hafa izany, hoy hatrany ity mpanabe ity. Manan-jo ny hianatra rahateo ny ankizy malagasy koa tsy tokony ho sakanana amin’izany izy ireo. Anatin’ny iray volana ho an’ny ankizy rahateo isika ankehitriny.

Antoky ny fananana hoavy mamiratra ho an’ny firenena iray ny fananana taranaka nandalim-pahaizana sy fahendrena ary fahalalana tao anatin’ny rindrin’efatry ny sekoly koa tsy tokony ho ferana ny hetahetan’ireo kilonga higoka izany.

Vous aimerez aussi