“Hampandroso Hatrany Ifotony ny Teny sy ny Soatoavina Malagasy”, io no teny filamatry ny AMPINGA Kabary izay fikambanana mampianatra kabary. Na ny ankizy na ny lehibe na ny lahy na ny vavy dia afaka mandray anjara amin’izay fianarana kabary tontosain’ny fikambanana izay avokoa. Maharitra 10 volana ny fampianarana izay ianarana ireo karazana kabary rehetra. Na ny kabary an-karatsiana na ny kabary an-kafaliana dia samy hianarana avokoa mandritra io fe-potoana io. Ny AMPINGA Kabary izay efa miditra amin’ny telovolana faharoa amin’izao fotoana izao ny fampianarana. Hiditra amin’ny telovolana fahatelo araka izany ny fampianarana ka nisy ny fialan-tsasatra notontosain’ny fikambanana tamin’izany. Endrika nanehoan’ny AMPINGA izany ny fitsangatsanganana notontosain’izy ireo, ny alahady 16 martsa 2025, teny Ambohimanga Rova. Mpianatra miisa 500, ireo mpampianatra sy ireo mpandalina ao amin’ny Ampinga ary ny “CLUB AMPINGA”, no niaraka tamin’ity fitsangatsanganana fialam-boly izay sady nanitaran’ny fikambanana AMPINGA Kabary, ny fahaizany amam-pahalalana ity. Tanjona ny mba hahafantarana ny tantara sy ny fomba amam-panao ary ny soatoavina indrindra fa ny kolontsaina ihany koa, araka ny fanazavan’ny filohan’ny AMPINGA Kabary, Manampisoatoavina Mitahiry Fahendrena.
