AMBOHIMANGAKELY Nanao tifi-danitra ny Zandary nanaparitahana ireo mbola nifamoivoy

Voatery nanao tifi-danitra ny Zandary teny Ambohimangakely nentina nanaparitahana ireo olona mbola tazana nivezivezy sy nivarotra taorian’ny tamin’ny 12 antoandro, ny andron’ny omaly, alahady.

Raha ny zavamisy eny an-toerana dia mbola maro amin’ireo mponina eny Ambohimangakely no tsy manaja ny fepetra isorohana ny fipariahan’ny valanaretina covid-19. Anisan’izany ny tsy tokony hitangorongoronana sy hivezivezena aorian’ny amin’ny 12 ora antoandro. Mahavariana ihany koa fa mbola maro ireo toeram-pivarotana zavapisotro misy alikaola no misokatra soa aman-tsara eny Ambohimangakely. Vokany, tsy tapaka fitangoronana sy fivorivoriana andian’olona eny amin’ireny toerana ireny.

Manoloana ireo rehetra ireo, nanambara ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tananan’Ambohimangakely fa hohamafisina kokoa ny fanaraha-maso ny fampiharana ireo fepetra entina hiadiana amin’ny fipariahan’ny covid-19 manerana ny fokontany miisa 18 mandrafitra ny kaominin’Ambohimangakely. Hiara-hientana amin’izany ireo sefo fokontany, ireo polisy kaominaly ary ny Zandarimariam-pirenena. Mila jerena akaiky ankoatra izany, ny olan’ny famatsiana rano eny an-toerana mba ahafahan’ny isam-batan’olona mikajy mandrakariva ny fahadiovana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valanaretina covid-19.

Vous aimerez aussi