AMBOHIMANGAKELY Mirongatra ny vaky trano

Tsikaritra tato ho ato ny fitomboan’ny asa ratsy tahaka ny vaky trano sy ny halabotry ary ny fanendahana ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Manoloana ireo, efa mandray andraikitra ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna sy ny zandarimariam-pirenena eny an-toerana…

Tsy mifidy andro na alina intsony ireo mpanao ratsy amin’ny fanatanterahana ny famakiana trano. Vao ny herinandro lasa teo, ohatra, ny eny amin’ny fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, no nitrangana vaky trano amin’ny antoandro be nanahary. Nanamarika ny tompon-trano fa olona eny anivon’ny fiarahamonina ihany no manao izany. Tsy mifidy hangalarina ireo mpamaky trano fa izay mety hivadika vola dia fongana avokoa. Lasibatra manokana ny akoho amam-borona sy ireo biby fiompy hafa. Manoloana izany, efa mandray andraikitra ny zandarimarim-pirenena amin’ny fanatanterahana ny fisafoana. An-dalana amin’ny fametrahana fomba fiasa matotra toy ny famerenana ny andrimasom-pokonolona ihany koa ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Ambohimangakely, tarihan’ny ben’ny tanàna Radafy Thierry. Inoana fa hahitam-bokatra tsy ho ela ny fiarahamiasan’ny roa tonta ho fampandriana fahalemana an’Ambohimangakely.

Vous aimerez aussi