AMBASADAORON’I YAS MADAGASCAR Anisany ihany koa Rijade

Mihamitombo isa hatrany ireo mpanakanto misafidy ny hiara-dia amin’ny orinasam-pifandraisana Yas. Tamin’ity taona vaovao 2025 ity dia ny mpanakanto Rijade no nisantatra izany fiaraha-miasa izany. Nampahafantarina, ny alatsinainy lasa teo, teny Andraharo, fa tafiditra ho anisan’ireo ambasadaoro sy fianakaviam-ben’i Yas Madagascar, ny mpanakanto Rijade. Ny orinasam-pifandraisana Yas izay miara-dia hatrany amin’ireo mpanakanto Malagasy eo amin’ny lafiny mozika noho ity orinasam-pifandraisana ity te hampivelatra hatrany ireo mpanakanto amin’ny alalan’ny kantony.

Tanjon’ny orinasa ny hampiroborobo ny kolontsaina malagasy mba ho fantatr’izao tontolo izao. Ny orinasam-pifandraisana Yas rahateo dia efa orinasa iraisampirenena satria Firenena dimy aty Afrika izay ahitana mponina manodidina ny 70 tapitrisa no efa misy azy. Ny mpanakanto Rijade araka izany dia te hampivelatra ny sanaganasany amin’ny teny vahiny eo amin’izay sehatra iraisampirenena izay amin’ny alalan’ny famoahany ny raki-kirany. Ity mpanakanto avy any Nosy-Be any amin’ny faritra Diana ity izay manana ny gado-kira mampiavaka azy amin’ny mpanakanto hafa. Anisan’ireo laharam-pahamehany amin’ity taona 2025 ity na efa 17 taona aza izy izao no nisehatra teo amin’ny sehatry ny mozika ny hanolotra kanto amin’ny tenim-pirenena hafa, araka ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi