AKOHO AMAM-BORONA Maina ny tsena, mila tohana ireo mpiompy

Raha toa ka akoho fakana nofony miisa 30 no lafon’ny mpivarotra etsy Isotry talohan’ny fisian’ny covid- 19, tsy misy afa tsy 06 kosa izany sisa ankehitriny. Tsy ny isan’ny lafo ihany no mijotso saika isanandro vaky fa hatramin’ny vidin’akoho ihany koa. 1 0000 Ar ny iray kilao amin’ny akoho fakana nofony tafidina hatrany amin’ny 8 000 Ar izany ankehitriny. Nidina ho 300 Ar ihany koa ny vidin’ny atody eny an-tsena.

Lohabolana ireo mpisehatra amin’ny akoho amam-borona toy ireo mpiompy sy mpiantoka ary ny mpivarotra fa sehatrasa anisan’ny voadona mafy noho ny fihanaky ny valanaretina covid- 19 izao ihany koa izy ireo. Anisan’ny mananosarotra, ohatra, ny fitadiavana ny sakafo homena ireo biby fiompy. Tsy maintsy amidy amin’ny vidiny mirary ny entana, hoy izy ireo mba ahafahana miatrika ny fiainana andavanandro sy mampihodina ny asa fihariana atao.

Manoloana ny fahavoazana mianjady amin’ireo mpiompy, tsy handrenesam-peo ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana mpiahy azy ireo. Amin’ny vanimpotoana sarotra lalovan’ny mpisehatra amin’ny fiompiana tahaka izao no tokony hanolo-tanana azy ireo ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Indrisy anefa fa mbola miady irery ny mpiompy ho amin’ny fampihodinana sy fampiroboroboana ny sehatrasany.

Vous aimerez aussi