ADY AMIN’NY KOLIKOLY : Hitory ny Mpitondra ny Monde Justice

Hametraka fitoriana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny « Monde Juctice » noho ny raharaha tsy mazava rehetra misy ankehitriny.

Ny tanjon’ny fikambanana Monde Justice dia ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinana ny harem-pirenena ary ny fananana harena tsy hita fototra, izay ataon’ny mpitondra indrindra indrindra.

Misy maneran-tany

Efa mijoro amin’ny firenena maro maneran-tany, toa an’i Kanada , Frantsa, Etazonia, sns… ny Monde Justice. Amin’ny maha fiarahamonim-pirenena ity fikambanana ity dia mijery izay tsy mety sy tsy ara-dalàna rehetra eto amin’ny firenena izy. Anisan’izany ny tsy fanajana sy fanosihosehana ny zon’olombelona amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavana nentin’ny Filohan’ny Monde Justice Madagasikara, Arlette Ramaroson, sy ny mpikambana amin’ny birao eto Madagasikara, Ihanta Randriamandranto.

Mitory avy hatrany

Rehefa miseho ny tranga tsy mazava sy ny fandikan-dalàna eto amin’ny firenena dia avy hatrany dia hitory eny amin’ny Fitsarana iraisam-pirenena izahay, hoy Ihanta Randriamandranto.

Nohamafisin’izy ireo fa ny fampandrosoana ny firenena, na aiza na aiza manera-tany dia miainga amin’ny fototra sy fanajana ny zo avokoa.

Ohatra amin’izany ny fakana ny tanim-bahoaka, izay mila fifampiraharahana fa tsy avy hatrany  dia anaovana didin’ny be sandry, toy ny atao amin’ny eny Ambohitrimanjaka sy  any Bas Mangoky.

Namafisin’ireo mpikambana fa tsy handefitra intsony mihitsy izy ireo manoloana ny tranga tsi-fanarahan-dalàna mihoa-pampana eto amin’ny firenena. Anisan’ireny ny fanodinkodinana ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana sy ny fakana an-keriny ny fananan’olona.

Ny Monde Justice

Ny Monde Justice moa dia fiarahamonim-pirenena maneran-tany noforonin’i Fleury Rakotomalala, izay manana ny foiben-toerany any Parisy. Ny sekretera jeneraly any Frantsa sy eto amin’izao tontolo izao dia Ramatoa Dannie Randrianarivelo.

Tafajoro ara-dalàna eto Madagasikara ity fikambanana ity, izay nampahafantarina ny mpanao gazety teny  Anosy ny alakamisy 30 janoary lasa teo. Nanatrika ny fotoana tamin’izany ny solontenan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Pasitera Maihol ary ireo mpikambana ao amin’ny Monde Justice avy any ivelany sy eto an-toerana. Ny filohan’ny Monde Justice eto Madagascar kosa dia Ramatoa Arlette Ramarson, mpitsara iraisam-pirenena teo aloha.

Inoana fa ho sakana iray amin’ny fanaovana tantely afa-dakotra sy ny tsimatimanota ny fisian’ny Fikambanana maneran-tany tahaka izao.

Vous aimerez aussi