HEVITRY NY MPAMAKY « Lalàm-pifidianana manakorontana »

Toy izao ny hevitra avoakan’ny Mpamaky mikasika n’y zava-misy eto amin’ny firenena.

Lalàm-pifidianana manakorontana

Rehefa mpanolotsaina mirotsaka solombavambahoaka dia tsy miala ;

Rehefa solombavambahoaka mirotsaka ben’ny tanàna dia tsy miala ;

Rehefa solombavambahoaka mirotsaka filoham-pirenena dia tsy miala ;

Rehefa solombavambahoaka mirotsaka ho loholona dia tsy miala ;

Rehefa solombavambahoaka mirotsaka solombavamboaka dia tsy miala ;

Fa rehefa mpanolotsaina mirotsaka mpanolotsaina dia miala ary rehefa ben’ny tanàna mirotsaka ho ben’ny tanàna dia miala !

Toy izany koa rehefa fioloham-pirenena mirotsaka ho filoham-pirenena dia miala ihany koa !

Vokany

Vokany : korontana erak’i Mada ! Ohatra ny ao Antananarivo. Tsy misy ben’ny tanàna, tsy misy filohan’ny filan-kevitra ary tsy misy filohan’ny delegasiona manokana ao ! Iza ary izany no manao sonia ao ? Tena misy lanja manokana anefa Antananarivo satria hiditra fampielezan-kevitra isika ka kianja amin’izany ny 13 mai, ny Magro ary Ambohijatovo.

Erak’i Madagasikara koa izany tsy misy ben’ny tanàna sy mpanolotsaina ny tanàna maro. Raha hoe ho soloina delegasiona manokana avokoa izany ny kaominina rehetra dia mpomba ny fitondrana daholo izany na ben’ny tanàna mpanohitra aza no olomboafidy (Ivato, sns).

Marihina fa ity resaka fialana ity dia nanomboka tamin’ny Tetezamita tamin’ny fifidianana Lalàmpanorenana (2010) ary notohizan’ny HVM (lalàna 2014-020). Hany ka lasa manana Filohampirenena mpisolotoerana maro be ny Malagasy. Niova koa ny lalàna tamin’ny 2018, 2023 ary nisy ny Hevitra na Avis navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Tsy hay intsony ny filozôfia, na pôlitika ny lalàna na ny esprit des lois. Teknisianina manoratra lalàna sisa nefa tokony ho « Expression de la volonté générale » na sitrapon’ny maro an’isa ny lalàna. tsy fantatra intsony ny tena hevitry ny malagasy maro an’isa.

Vahaolana

Efa ela ny antoko Humaniste et Ecologiste na Hasin’ny Olombelony sy Ekolojia tamin’ny alalan’i Toavina Ralambomahay no nanakiana an’io tamina sehapikarohana maro. Raha matahotra ny Malagasy hoe ampiasa fahefam-panjakana ireo olona izay izy ihany no nifidy azy dia tsy fametraham-pialana no vahaolana fa fanaraha-maso ny olomboafidiny. Fa sarotra tokoa aloha ny manazava hoe manakorontana sy tsy misy filozofia ireto lalàna ireto. miala ;

Rehefa solombavambahoaka mirotsaka ben’ny tanàna dia tsy miala ;

Rehefa solombavambahoaka mirotsaka filoham-pirenena dia tsy miala ;

Rehefa solombavambahoaka mirotsaka ho loholona dia tsy miala ;

Rehefa solombavambahoaka mirotsaka solombavamboaka dia tsy miala ;

Fa rehefa mpanolotsaina mirotsaka mpanolotsaina dia miala ary rehefa ben’ny tanàna mirotsaka ho ben’ny tanàna dia miala !

Toy izany koa rehefa fioloham-pirenena mirotsaka ho filoham-pirenena dia miala ihany koa !

Myrantsoa Rakotomalala

Vous aimerez aussi