FIFIDIANANA DEPIOTE Narson Rafidimanantsoa eny Antanifotsy

Manana solontena ny antoko HVM, ao amin’ny vondrona Firaisankina milatsaka ho depiote ao Antanifotsy. Maresaka ao amin’ny distrika tokoa I Narson, efa voafidy teo aloha teo, ary mbola hilatsaka indray amin’ity manaraka ity. “Nisy ny zava-bita, fa mbola betsaka no hotanterahina” hoy Narson, raha nampivory ny mponina tao Antanifotsy izy. Midadasika koa ny distrika, ary miandry azy ny asa ho fampandrosoana ny faritra.

Manohana an’I Narson ny Firaisankina, ary tsapa izany tamin’ny fandalovan’ny Prezida Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy ao amin’ny vondrona toy ry Paraina Auguste (Tsara Tahafina) sy Alban Rakotoarisoa (APM) sy ireo namana hafa. Ny tanjona dia handraisana ny andraikitra eo amin’ny fiovan’ny fitondrana, izay tsy mety intsony amin’izao tontolo izao satria mampahantra ny vahoaka. Sarotra ny ahazoana ny tanjona, ary mahatoky ny vahoaka I Narson.

Ny kandidà moa dia havanana eo amin’ireny foto-drafitr’asa ireny, izay efa nianarany hatrizay, mahay lalàna ihany koa I Narson, ka afaka manala olana eo amin’ny vahoaka voageja. Kaominina 14 no miraikitra ao Antanifotsy, dia : Ambatolahy, Ambatomiady, Ambatotsipihina, Ambodiriana, Ambohimandroso, Ambohitompoina, Ampitatafika, Andranofito, Anjamanga, Antanifotsy, Antsahalava, Antsampandrano, Belanitra, Soamanandrariny.

Vous aimerez aussi