MADAGASIKARA : Faha-59 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantena

« 26 Jona fetin’ny fahaleovantena : Malagasy aho, tia fandrosoana, tia tanindrazana » Izany no lohahevitra enti-manompana ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena malagasy amin’ity taona 2019 ity. 

Anisan’ny tanjona amin’izany ny hamohazana indray ny tantaram-pirenena mba ho tsiaro ho an’ny taranaka sy hanainga ny hambompon’ny Malagasy rehetra ary hanehoana amin’izao tontolo izao fa firenena manana ny maha-izy azy tokoa i Madagasikara. Ny 26 Jona 1960 tokoa no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara rehefa tafala teo ambany ziogan’ny frantsay nanjanaka antsika.
59 taona nahazoana indray ny fahaleovantena manko kanefa firenena anisan’ireo mahantra na diso aoriana indrindra maneran-tany, eo amin’ny fandrosoana, satria toa mbola manjaka ny fanjanahana an-kolaka sy ny tsi-fitiavan-tanindrazana.

Firenena nankatoavina i Madagasikara

Anisan’ny fanjakana nankatoavin’ny firenen-drehetra maneran-tany i Madagasikara mialoha ny nidiran’ny mpanjanaka frantsay teto, ny taona 1895. Vavolombelon’izany fisian’ny fanjakana malagasy izany ny fifanarahana vita sonia niarahana tamin’ireo firenena lehibe tany am-pita. Anisan’izany ny fiarahana tamin’ny fanjakana britanika, tamin’ny 23 Oktobra 1817. Izany hoe tamin’ny andron’i Radama I. Navaozina izany tamin’ny 27 Jona. Teo ihany koa ny fifanarahana tamin’ny fanjakana frantsay, izay nosoniavina tamin’ny 12 Septambra 1862. Izany hoe tamin’ny andron’i Radama II, izay navaozina tamin’ny 08 Aogositra 1868. Nisy ihany koa ny fifanarahana tamin’ny fanjakana amerikana, izay vita sonia tamin’ny 14 Febroary 1867. Teo indrindra koa ny fifanarahana tamin’ny fanjakana alemana, ny 15 Mey 1883.
Nanana ny lanjany teo amin’ny fifandraisana tamin’ny any ivelany ireo satria marika sy porofo tsy azo lavina fa manana ny fahaleovantenany sy ny maha-izy azy ny fanjakana malagasy mialoha ny fanjanahan-tany.

Noho ny tombotsoan’ny firenena matanjaka

Nanana ny fiandrianany tokoa ny firenena malagasy talohan’ny naha-zanatany frantsay azy.
Fantatra anefa fa noho ny ady tombontsoa nahery vaika teo amin’ireo firenen-dehibe sy natanjaka tao Eoropa tamin’ny taonjato faha-19, nandritra ny fanitaran’izy ireo ny fanjakazakany maneran-tany tamin’ny alalan’ny fanjanahan-tany dia tsy afaka tamin’ny fambaboan’ny frantsay i Madagasikara.
Ady indroa misesy, tamin’ny 1883 hatramin’ny 1885 sy tamin’ny 1894 ka hatramin’ny 1895 no nentin’ny frantsay namelazana an’i Madagasikara ary nahatonga ny Malagasy ho zanatanin’ny frantsay tanteraka, rehefa resy ny tafiky ny Mpanjakavavy Ranavalona III, izay Mpanjaka farany tao anaty Rova ary rava tamin’izany ny fanjakana malagasy.
Niverina ho firenena mahaleotena indray I Madagasikara tamin’ny taona 1960 rehefa niaritra tao anatin’ny fanjanahantany frantsay.

Niverina ny fahaleovantena

Tsy vitavita ho azy akory ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny Malagasy fa nisy ny tolona natao sy naseho tamin’ny endriny samihafa.
Vao niandoha ny fanjanahantany dia efa nisy ny hetsika natao hanoherana ny fakan’ny frantsay ny tany malagasy. Anisan’izany ny nataon’ny Menalamba, ny Sadiava, teto afovoan-tany sy tany atsimon’ny Nosy. Nanohy izany ny Vy Vato Sakelika (na ny VVS), izay fikambanana niafina ka nanabe ny vahoaka ho tia tanindrazana. Rava anefa ny VVS satria nosamborina ireo lohandohany mpitarika azy. Notsaraina ka nohelohina izy ireny ary nalefa sesintany.
Taorian’izany dia nijoro ry Jean Ralaimongo, izay nitaky ny fampitovian-jon’ ny Malagasy amin’ny vazaha. Notakiany ihany koa ny tokony hamotsorana ny helok’ireo voatana tamin’ny raharahan’ny VVS.

Nijoro ny MDRM

Ny 22 Febroary 1946 no natsangan’ireo vondron’ny manampahaizana malagasy ny antoko « Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache » (na ny MDRM), izay anisan’ny nitarika izany Ravoahangy sy Raseta.
Nahomby haingana tokoa ity antoko ity satria nahazo ny fon’ny vahoaka tanteraka. Teo rahateo ny fampidirana ireo olona avy amin’ny saranga samihafa ho mpikambana tao aminy sy ny mpikambana tranainy tao amin’ny VVS.
Anisan’ny fitaovana nampiasain’ity antoko ity tamin’izany ny gazety, nahazoany namoaka ny heviny sy nahazoany valin-kafatra ihany koa.

Nitroatra ny malagasy

Nipoaka ny tolom-panafahana nataon’ny malagasy ny taona 1947-1948. Henjana ny tolona ka marobe ny isan’ireo namoy aina, na teo amin’ny Malagasy na teo amin’ny vazaha.
Tsy nahomby anefa ny tolona satria resy teo anatrehan’ny frantsay ireo malagasy tia tanindrazana.Nandritra izany koa no nahazo vahana naneran-tany ny fanjanahantany, taorian’ny ady lehibe faharoa. Samy tsy nankasitraka ny fanjanahantany na ny Firenena Mikambana, izay niorina ny Jona 1945 na ireo firenen-dehibe roa (ny amerikana sy ny sovietika)  nivoaka mpandresy tamin’io ady lehibe faharoa io.
Nivoatra ihany koa ny toe-tsain’ny olona tany amin’ireo firenena mpanjanaka. Nandroso ny fandresen-dahatra ny amin’ny zon’ny zanatany hanana ny fahafahany, izay fototra iray amin’ny fanajana  ny zon’olombelona. Nanamafy izany ny kabarin’ny Général de Gaule tany Brazaville, ny 30 Janoary 1944.

Tolona politika

Niova kosa ny làlana nizorana teto Madagasikara. Tolona politika tao anatin’ny fanajana ny ara-dalàna no natao. Tsy natao intsony ny fihetsika mahery setra amin’ny fitanana fitaovam-piadiana.
Ny famotsoran-keloka faobe ho an’ireo voarohirohy noho ny raharaha 1947-1948 no andraikitra lehibe noraisin’ireo mpanao politika nijoro tamin’ny fanoherana ny fanjanahantany. Ankotra izay dia nifotorana ny fitakiana ny famerenana ny fahaleovantenam-pirenena.

Lalàna lasitra (na loi-cadre)

Paikady nentina niatrehana ny fitakiana ny fahaleovantenan’ny zanatany frantsay ny lalàna lasitra na koa hoe lalàna Gaston Defferre. Izy io dia minisitra nisahana ireo zanatany frantsay taty Afrika tao amin’ny governemanta sosialista tany Frantsa, izay notarihan’i Guy Mollet.
Ny itazonana ireo zanatany ho azy hatrany no tanjon’ny frantsay tamin’ity lalàna ity. Tsy nieritreritra ny hanala tanteraka ireo zanatany aminy i Frantsa, na amin’ny fotoana hananan’ izy ireo fahaleovantena aza.
Ny 23 Jona 1956 no lanin’ny Antenimiera frantsay ny lalàna lasitra. Solombavambahoaka miisa 470 no nanaiky izany raha 105 kosa no nitsipaka.
Nanova zavatra maro teo amin’ny zanatany frantsay ity lalàna lasitra ity. Nampiharina ny fifidianana faobe izay tsy nisokajiana intsony ny vazaha sy ny vazaha taratasy, andaniny na ny Malagasy, izay nantsoina hoe «indigènes», ankilany.

Najoro ireo rafitra

Nomen-jo hifidy ny vehivavy malagasy. Nitarina ny fahefan’ny Antenimiera foibe na ny Assemblée représentative sy ireo Antemieram-paritany na ny Assemblée provinciale. Natsangana ny filan-kevitry ny governemanta ho rafitra vovonana hitondra ny zanatany. Natao faritany faha-enina teto Madagasikara i Diégo-Suarez, izay antsoina ankehitriny hoe Antsiranana, ho fampiharana ny lalàna tamin’ny 10 Novambra 1956, nanova ny didim-panjakana tamin’ny 09 Novambra 1946.
Lehibe tokoa ny fanovana nisy satria nanana ireo solontenany nandray anjara tamin’ny fiheveran-draharaha tamin’ny ambaratonga samihafa ny isam-paritra. Nantsoina hoe mpanolontsaim-paritany ireo olomboafidy isam-paritany ireo.

Nijoro ny Filankevitry ny governemanta

Nifidy olona 9 avy amin’ny antenimieram-paritany tsirairay indray, nandrafetana ny Antenimiera foibe, izay nanana ny foiben-toerany teto Antananarivo. Samy hita tao na ny vazaha na ny Malagasy.
Ny haut commissaire André Soucadaux, solontenan’ny Repoblika Frantsay teto Madagasikara no Filohan’ny filankevitry ny governemanta. I Philibert Tsiranana kosa no Filoha lefitra.
Nanana ny laharana minisitra ireo mpikambana tao amin’ity Filankevitry ny governemanta ity. Ireto avy izy ireo : Philibert Raondry, Randrianasolo Gervais, Ramangasoavina Alfred, Resampa André, Bezara Justin, Bezaka Alexis, Paul Longué.
Tamin’ny fisehoan-javatra ankapobeny dia toy ny fanomanana ny Malagasy handray ny fitondrana ny fireneny indray ny nampiharana ny lalàna lasitra.
Tamin’ny lafiny ilany anefa dia nisy fototra politika lalina izany dia ny nanohanana araka izay azo atao sy tamin’ny fomba rehetra ireo olona noheverina ho azo antoka hitana ny familiana rehefa tonga eo amin’ny satan’ny firenena mahaleotena tokoa i Madagasikara.
Olona avy amin’ny ankolafy politika mpandala ny fiarahana amin’i Frantsa ny ankamaroan’ireo tafasandratra ireo sy ireo maro an’isa tao amin’ny Antenimieram-paritany sy ny Antenimiera foibe.

Ny antoko PSD sy i Philibert Tsiranana

Antoko nanana ny toerana teo amin’ny fiverenana amin’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny antoko PSD (na ny Parti Social Démocrate), izay naorian’i Philibert Tsiranana. Teraka avy amin’ny fivakisan’ny antoko PADESM (na ny Parti des Déshérités de Madagascar) izay niorina tamin’ny 1946 ny PSD. Antoko nifanandrina tamin’ny MDRM ny PADESM tamin’izany fotoana izany.
Ny 05 Desambra 1956 no nivory tao amin’ny hotel Fimaroli na ny sinema Roxy ankehitriny ry Norbert Zafimahova, Robert Marson, Raveloson Mahasampo, Albert Sylla, Alphonse Vaviely, Armand Razafindrakoto, izay nanangana ny UDSM na ny Union des Démocrates Sociaux de Madagascar.
Ny 28 Desambra 1956 kosa nanapahan-kevitra nanorenana ny antoko PSD, izay notarihan’i Philibert Tsiranana sy ireo namany, izay samy nitana toerana ambony tamin’ny Repoblika voalohany.
Na nisaraka aza ireo lehibe tao amin’ny PADESM dia mbola niombonana ny foto-kevitra ny fiarahan-dàlana amin’i Frantsa. Samy nahazo fanohanana avy amin’i Paris avokoa izy ireo, indrindra fa i Philibert Tsiranana, izay resy lahatra tamin’ny ezaka ho famerenana ny fahaleovantena kanefa tsy dia nirotoroto sy rototra loatra tamin’izany.
Nambarany tamin’ny kabariny ny 18 Desambra 1956 fa tanjona andraindrana ny fahaleovantena ary fitaovana hahatongavana amin’izany ny lalàna lasitra.
Nihazakazaka ny toe-draharaha teto Madagasikara, ka ny 26 Jolay 1958 no lasa Filohan’ny Filankevitry ny governemanta i Philibert Tsiranana. Mbola niara-dàlana taminy hatrany anefa ireo solontenan’ny Repoblika frantsay, dia i André Soucadaux.

Vous aimerez aussi