Taorian’ny dinika nifanaovan’izy ireo tany Paris anio zoma 11 aprily, dia nanao fanambarana iraisana i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, Filohan’ny Repoblika Malagasy teo aloha. Tao anatin’ity fanambarana ity dia naneho ny ahiahiny lalina izy ireo manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, ka niantso fiaraha-mientan’ny olompirenena rehetra ho amin’ny fandriampahalemana, ny fitonian’ny firenena ary ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Jour : 11 avril 2025
« TSENABEN’NY FIZAHANTANY » ANDIANY FAHASIVY : Hisarihana ireo mpizahatany hitsidika ny harenan’ny Nosy
Ny andiany fahasivy amin’ny “Tsenaben’ny Fizahantany” izay karakarain’ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara na ny “Office National du Tourisme de Madagascar » (ONTM) no fampirantiana hita eny amin’ny Zaridainan’Antaninarenina, ny 10 aprily ka hatramin’ny 12 aprily 2025…
ORINASA “AXIAN TELECOM” : Nahazo famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara avy amin’ny “BEI”
Fifanaovan-tsonia teo amin’ny Banky eoropeanina momba ny fampiasam-bola na ny “Banque européenne d’investissement” (BEI) sy ny orinasa “Axian Telecom” no notontosaina teny Andraharo, ny 10 Aprily 2025. Fifanaovan-tsonian’ny roa tonta izay miompana amin’ny fampisitrahan’ny Banky eoropeanina momba ny fampiasam-bolana na ny “Banque européenne d’investissement”, famatsiam-bola, ny orinasa “Axian Telecom” izay mitentina 100 tapitrisa dolara.
“STAR TOUR PAQUES ANTSIRABE” : Ho hafanain’ny orinasa Star ny renivohitr’i Vakinankaratra
Ny faha-20 sy ny faha-21 aprily 2025 no hankalazana ny fetin’ny Paska sy ny Alatsinain’ny Paska. Tsy navelan’ny orinasa Star handalo fotsiny izany fotoana izany. Antony nikarakaran’ity orinasa ity fety antsoina hoe: “Star Tour Pâques Antsirabe” izay ahitana hetsika maro samihafa ho an’ny mponina eto Madagasikara. Izy io izay efa fanaon’ny Star isan-taona any amin’ny Renivohitr’i Vakinanakaratra…