“Efa ela loatra… Dimy amby efapolo taona” io no lohatenin’ny fampisehoana hotanterahan’i Olombelo Ricky eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina ny 6 aprily 2025. Seho tokana anaty lapa ity Revy ampitiavana be izay atolotry ny Olombelo Ricky ny mpankafy rehetra ity. Antony hanasany ny besinimaro mba ho avy hanotrona sy hiravoravo na ireo efa teo izany na ireo mpankafy vaovao…