FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY Nanamarika izany ireo vehivavy mpiasan’ny orinasa STAR

“Fitovian-jo sy ny Fizakan-tena ho an’ny Vehivavy sy ny Tovovavy” no lohahevitra nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy raha ho antsika teto Madagasikara. Izy io izay nomarihana ny 8 martsa 2025. Ity fanamarihana manokana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny Vehivavy, ity izay nandraisan’ny fitondram-panjakana foibe sy ireo fikambanana ary ireo orinasa maro samihafa, anjara…