Mba ho fampitomboana hatrany ny fahalalana eo amin’ireo mpampianatra eny amin’ny Liseam-panjakana dia nampiofana azy ireo teny amin’ny « Lycée Nanisana » ny avy eo anivon’ny « ECPAT France Madagascar », ny alarobia 5 sy ny alakamisy 6 martsa 2025. Anjaran’ireo mpampianatra tao amin’ity « Lyce Nanisana » ity araka izany no nandray ny fampiofanana tamin’ireo roa andro ireo raha efa nahazo ny anjarany tamin’izany ireo mpampianatra amin’ny Liseam-panjakana hafa…
Jour : 9 mars 2025
“MADAGASCAR FILM FESTIVAL – ISSM AWARDS 2024” Miisa 75 ireo amboara ho atolotra
Ny andiany voalohany amin’ny fihaonana momba ny horonan-tsary na ny “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024” no hotanterahana, eny amin’ny Havoria Anosy, ny 26 ka hatramin’ny 30 martsa 2025. Hetsika izay karakarain’ny Ivon-toeran’ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy na ny (ISSM) izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina…
« GROUPE JCR » ANTSAKAVIRO Mitondra anjara biriky amin’ireo Malagasy mpanao fanatanjahan-tena
Anisan’ireo orinasa manohana ny tena mpanao fanatanjahan-tena eto Madagasikara ny « Groupe JCR » izay manana ny foiben-toerany eny Antsakaviro. Ny filoha tale jeneralin’ity orinasa ity izay mpanao fanatanjahan-tena ihany koa fahiny. Izy izay nilalao baolina kitra sy haiady tamin’ny androm-pahatanorany, araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “Groupe JCR”, Dr Ratsimivony Jean Claude…
FANDRAKOFANA ALA INDRAY AN’I MADAGASIKARA Nitondra ny anjara birikiny ny orinasa Star
Tsy diso anjara amin’ny fandrakofana ala indray an’i Madagasikara ny orinasa Star. Manaporofo izany ny fitondran’izy ireo anjara biriky tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo. Na ireo mpiasan’ny orinasa na ireo Vondron’olona eny ifotony na ireo mpamboly na ireo sekoly manodidina ny toeram-piasan’ny Star izay mpiara-miombon’antoka amin’ny orinasa Star na ihany koa ireo mpamboly mpiara-miasa aminy dia samy notoloran’ity orinasa ity tanana avokoa tamin’izany fambolen-kazo izany.