RENY EVENTS Nifarana ny “Valentine’s Day” dia ho avy ny “Viavy Jejo 2eme édition”

“Vehivavy sy ny asa tanana vita Malagasy – Ndao hiaraka hanandratra ny Vita Malagasy”, io no teny filamatry ny “Reny Events” amin’ilay hetsika ara-barotra antsoina hoe: “Viavy Jejo 2eme édition”, izay karakarain’izy ireo. Ny 19 ka hatramin’ny 22 Martsa 2025, eny amin’ny Zaridaina Antaninarenina no hantanterahana izany. Ity hetsika ity dia entin’ny tomponandraikitra mpikarakara manome lanja ny vehivavy…

FAMOKARANA SIMENITRA Hanangana fotodrafitrasa momba izany ny eny Ampitatafika

Miroso hatrany amin’ny fampandrosona ny kaominina iadidiany ny ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika, Ramparaoelina Rado, sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Tanimenabe Ampitatafika, izay toerana hanorenana  fotodrafitrasa, dia nampahafantatra ireo mponina ao amin’ny kaominina iandreketany, ny tenany, fa hanorina orinasa hamokatra simenitra eny an-toerana ireo mpandraharaha vahiny tompon’io tany io.

EKAR « MASINA MISELY FARALAZA TALATAMATY » Hanolotra « Foaran’ny Tantsaha »

Ampahany amin’ireo eo anivon’ny Vaomieran’asa Sasem, EKAR Masina Misely Faralaza Talatamaty, mpiketrika ny « Foaran’ny Tantsaha ».

Ny hisian’ny fampivoaram-piainana eo amin’ireo Kristianina izay maroanisa ireo Tantsaha (Mpamboly sy mpiompy) mandrafitra ireo mpino eo anivon’ny Eglisy KAtolika Romanina « Masina Misely Faralaza Talatamaty » mba hahafahan’izy ireo manohana ny Fiangonana sy ny Seminera. Ho fampivoarana sy fampiroboroboana ny Tontolo ambanivohitra eo amin’ny asa fiompiana sy fambolena eny an-toerana.

“VAVAKA SY TSO-DRANO” Tontosa soa aman-tsara ny hoe: “Ary hanomezan’Andriamanitra anao anie…”

Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny CCI Ivato, ny alahady 23 febroary 2025, ny “Vavaka sy Tso-drano” izay niarahana tamin’ny Pasteur Rabemananony Fidisoa sy Pasteur Noro Lucie. “Ary hanomezan’Andriamanitra anao anie…” -Genesisy 27:28, no andinin-tSoratra Masina nentina nandravahan’ny Fiangonana Vavaka Fanafahana, ny fotoana, tamin’io alahady io…

Sinistrés !

Inondations Antsahakely-Besarety

L’AMP fait partie des sinistrés. Oui, les fortes pluies d’hier durant des heures ont eu raison face aux canalisations fragiles. Ces infrastructures d’évacuation d’eau n’ont jamais connu de dragage ni de curage. Bouchées à fond, les eaux de pluie se sont déversées vers d’autres issues, inondant les habitations…