TARIKA « RUIDY’S MANAMPISOA » Mivoy ny « Mozika evenjelika tropikaly »

Ny taona 2015 no nanomboka nanakorisa ny peniny ho amin’ny famoronana hira mitaiza fanahy hifikitra mandrakariva amin’Andriamanitra sy manome fahafinaretana ny saina amam-batana amin’ny alalan’ny kanto an-kira i Ruidy Manampisoa. Mpanakanto vao erotrerony ny tovolahy, resy lahatra, fa mila ampiasaina ho amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ny talenta avy amin’ilay Ray mpahary…