FADINTSERANANA MALAGASY Ny 80 % amin’ny fandaharanasa fanavaozana no efa tontosa

Ny 26 janoary no hankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fadintseranana. Ny Fadintseranana Malagasy dia nanatontosa izany, ny 24 janoary lasa teo, teny Anosy. Tamin’io fotoana io no nanambaran’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy, Lainkana Zafivanona Ernest, fa hatomboka amin’ity taona 2025 ity ny Drafitra Stratejika 2025-2029, izay mifantoka amin’ny laharam-pahamehana telo lehibe…