SAMPANA MPAMONJY VOINA ENY TSARALALANA Miezaka manatsara hatrany ny famonjena voina

5% amin’ireo antso an-taroby miisa 200 voarain’ny Sampana Mpamonjy voina eny Tsaralalana ihany no tranga tena misy fa hanihany fotsiny ihany ny ambiny. Manoloana ny tranga misy dia handray fepetra ny Sampana Mpamonjy voina ka hiara’-hiasa amin’ny mpitandro filaminana sy ireo orinasam-pifandraisana misy eto Madagasikara izy ireo mba hanenjika ireny olona manadala fotsiny ihany ireny…

TSY FANARAHAN-DALÀNA TAMIN’NY FIFIDIANANA BEN’NY TANÀNA TANY MAHAMBO Miantso fandraisana fanapahan-kevitra ny mponina

Miantso ny handraisana fanapahan-kevitra ara-drariny manoloana ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tany Mahambo-Fenoarivo Atsinanana ny mponina any an-toerana. Nanao fanambarana iraisana ny mponina sy ny fikambanan’ny Tangalamena avy amin’ny fokontany miisa 26 mandrafitra ny kaominina Mahambo any amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana any amin’ny faritra Analanjirofo, ny 9 janoary lasa teo…