SHALAR ANDRIAMADY RIJA « Mitaky fanovana toe-tsaina ny fialana amin’ny fahantrana »

64 taona « notolorana » ny fahaleovantenany ny Malagasy, fa mbola anaty fahantrana lalina mandraka ankehitriny ny ankamaroany. Tsapa ihany koa fa miseho lany ny fanandevozana amin’ny endriny vaovao. Tsy mbola tena mahaleo tena i Madagasikara, fa fahaleovantena sarintsariny no misy eto. Vokany, tsy mitsaha-mijotso ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Lavitra ny Malagasy, araka izany, ilay fampandrosoana dradraina isan’andro vaky.

TARIKA « RY VOAHARY » Mivoy ny « bagasy an-kabôsy »

Tany amin’ny taona 1977 no efa nikaroka sy nandalina ny tontolo sy ny tantaran’ny bagasy ny tarika Ry Voahary. Anisan’ny mampiavaka ny bagasy iangalian’ity tarika ity ny fanomezana laka ny kabôsy anatin’ireo tsanganasany. Ny kabôsy no mitarika ireo zavamaneno hafa toy ny gitara, vatamaroafitsoka, aponga maroanaka, sns mandritra ny filalaovana ireo hira. Hahenoana ilay folaka bagasy an-kabôsy avokoa ireo vazon’ny tarika.